<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>264</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He mahagaga anay
 Ny fitiavana
 Nasehonao, ry Jeso ô !
 Mba ho anay.

[V2]
 Ny fijalianao
 Ilay tao Golgota,
 Indrisy ! lalina tokoa
 Ny ngidiny.

[V3]
 Na mafy aza izay
 Tsy nandosiranao,
 Nataonao tsinontsinona
 Ny teninao.

[V4]
 Ny fitiavanao,
 Fa tsy ny fantsika,
 No anton'ny nihantonanao
 Tao Golgota.

[V5]
 Ny ra nalatsakao
 No vidin'ny ainay,
 No fijaliana nentinaonao
 No avotray.

[V6]
 Tsaroanay izao,
 Derainay avokoa
 Ilay fitiavanao anay,
 Ry Tompo soa !</lyrics>
<title>He! mahagaga anay FFPM264</title>
<author>G. Lomas</author>
</song>